Ny zoma lasa teo no niakatra Fitsarana teny Anosy, ilay raharaha fanondranana olona, ka nahavoasaringotra an’i Omar Mektoub, tale eo anivona orinasa iray mpandefa olona any Arabia Saoudite. Raha tokony ho ny talata lasa teo no nivoaka ny didy, noho ny antony tsy fantatra dia tsy nivoaka io andro io indray izany. « Mbola miandry izahay hatramin’izao», hoy ny nambaran’Atoa Tabera. Tetsy andanin’izay ihany koa, araka ny fanazavana azo hatrany, nisy ny fangatahana fahafahana vonjimaika, saingy nolavin’ny Fitsarana izany. Hatreto dia mbola voatazona any am-ponja, eny Antanimora, ity solombavambahoakan’i Mananjary teo aloha ity, voarohirohy amina resaka fanondranana olona.
Tsiahivina fa ny 25 septambra lasa teo no nisamboran’ny pôlisy misahana ny heloka bevava an’ity mpandraharaha sy mpanao pôlitika ity, teny amin’ny toerana nambara fa toeram-piasany, tetsy Mahazoarivo. Tao anatin’izany no nahitana tovovavy am-polony maro, niomana ny handeha any Arabia Saodita. Loharanom-baovao avy amin’ny olona no nahenoana ny fisian’ity orinasa mpandefa olona any ivelany ity ka tsy nisalasalàn’ireo mpitandro filaminana ny nidina teny an-toerana, nanao ny fisavana sy ny fanadihadiana ireo olona rehetra tao. Anisan’izany ny talen’ity orinasa ity. Taorian’ny nandefasana ny raharaha teny anivon’ny Fampanoavana, nanapa-kevitra ireo mpitsara mpanao famotorana ny hametraka an’ity solombavambahoaka teo aloha ity any am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Na dia efa natao aza izany ny zoma lasa teo, dia mbola izao eo am-piandrasana ny valim-pitsarana izao ny rehetra.
Niteraka resabe tokoa ity fanagadrana azy ity, ary maro ireo nampiaka-peo, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ireo mponina avy any amin’iny faritra Atsimo Atsinana iny, sy ireo mpikambana ao amin’ny movansy Zafy. Isan’ny nahagaga ny maro tany amin’iny faritra iny tokoa mantsy fa izy, tamin’ny taona 2004, no anisan’ny nanohitra tanteraka sy nanolotra ilay volavolan-dalàna mahakasika ny fanafoanana ny fanondranana olona, kanefa dia izy indray no enjehina amin’izany amin’izao fotoana izao. Ambonin’izay ihany koa ny maha zanaka Ampanjaka azy any amin’iny faritra iny, raha ny fantatra hatrany. Tsara homarihana, araka ny nambaran’Atoa Tabera Randrimanantsoa, fa ara-dalàna tanteraka ity orinasa nanaovan’ny pôlisy bemidina ity, ary na ireo tovovavy hita tao ireo aza dia manana taratasy ara-dalàna. Nanamafy ihany koa izy taorian’iny tranga iny fa isan’ny tafiditra tao anatin’ny tetikasan’ny governemanta ity fandefasana olona hiasa any Arabia Saodita ity. Inona no marina araka izany ? Mety mbola misy zavatra manjavozavo ao matoa mbola somary mitarazoka toy izao ny raharaha.
m.L





