- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Pasitera mirahalahy niady, nifamono tsy nahalala menatra imasom-bahoaka

Toliara : Pasitera mirahalahy niady, nifamono tsy nahalala menatra imasom-bahoaka

Tongo-bakivady sady maharary no mahamenatra raha ity trangam-piarahamonina iray niseho afaka’omaly, tany amin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara II Ity.

Gaga sy talanjona ny iray tanàna ary nanongo tena noho ny henatra ireo kristianina mpiara-miangona rehetra nahita ny adin’ireto pasitera roalahy izay mpiray tampo. Vady sy simba avokoa ny entana tao an-tranon-jokiny noho ny fifandonana nahery vaika teo amin’ny ireto mpitodra fivavahana roalahy. Nitohy teny ivelany ny adin’ireto ray aman-dreny am-panahy izay nifamono tsy nahalala menatra imasom-bahoaka intsony noho ny resa-bola, raha ny vaovao voaray. Tsy nahatohitra ny zandriny izay vory sandry ilay zokiny, ka nitsoaka niafina haingana nanavotra aina tao am-piangonana, ary nihidy tao mandram-pahatongan’ny zandary nantsoim-badiny nandamina ny raharaha, sady nampiahavanana azy mirahalahy samy mpitondra fivavahana ireto. Ny hetsikitsika natao handihizana ity no nipaoka ny zanak’akoho. Mitafy henatra ny fiangonana noho ny tsy fahafehezan-tena vokatry ny fitiavam-bola sy harena ary voninahitra tafahoatra ataon’ny mpanompon’Andriamanitra sasany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici