Nihotsaka ny tambohon’ny trano iray izay mbola teo am-panamboarana azy. Niteraka fahafatesan’olona izany, omaly maraina, tetsy Ambatoroka. Raha araka ny vaovao azo, dia nilatsaka ny fantson-drano izay niraikitra tamin’io tamboho io. Niteraka ny fihotsahana hafa izany dia ilay firodanan’ny tamboho izay nifatratra avy hatrany tany amin’ireo olona niandraikitra ny fanamboarana azy. Ny iray tamin’izy ireo no maty noho ny hamafin’ny fahavoazana niantefa taminy. Raha araka ny fantatra dia efa natahorana hatry ny ela ny hihotsahan’ilay tamboho izay voaresaka eto. Efa niakatra teny amin’ny ambaratongam-pahefana ny tatitra momba izany, raha araka ny vaovao azo hatrany momba ity raharaha ity. Io indrindra no nitarika ny fandraisana fanapahan-kevitra ny amin’ny hanamboarana ilay tamboho maika, alohan’ny higadonan’ny vanim-potoana fahavaratra. Dia io tonga tamin’ny fanamboarana io tokoa ny mpiantsehatra voakasika saingy teo indrindra ny loza no nitranga. Samy nanana ny fijeriny azy ny olona izay nahita ny zava-nitranga teny an-toerana. Tao no nilaza fa mety niteraka fahafatesan’olona maro iny tamboho iny raha toa ka tamin’ny vanim-potoanan’ny orana no nihotsaka. Tao koa no ontsa ary nanazava ny heviny ny amin’ny hoe, efa mba ilay loza mihitsy no tsy tiana hahatongavana, ka nahatonga ny fanamboarana, kanefa dia mbola io niteraka fahafatesan’olona io ihany. Tamin’ny taon-dasa dia niteraka fahavoazana maro ary indrindra fahaverezana ain’olona, ny fihotsahan’ny tamboho sy ny trano. Izany rehetra izany, dia tao anatin’ny oram-be no nitranga. Entina hilazàna izany fa raha mbola mety hiverina indray ny toa izany, raha tsy izao dia efa samy mandray ny fepetra ny amin’ny handrodanana na hanamafisana ny olona.
D.R
Ambatoroka : Tamboho nihotsaka nahafaty olona
Articles qui pourraient vous intéresser