- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana ambony Toamasina : Vadintany 8 sy mpiraki-teny 3 mianadahy napetraka ofisialy

Fitsarana ambony Toamasina : Vadintany 8 sy mpiraki-teny 3 mianadahy napetraka ofisialy

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny fanaovana fihanihanana ny zoma teo, teo anivon’ny Fitsarana ambony Toamasina, ireo vadintany miisa 8 mianadahy, vehivavy tokana, sy ireo mpiraki-teny sy mpanatoa soratra (Notaires) miisa 3 mianadahy, vehivavy roa.

Ho an’ireto vadintany vao nanao fihanianana ireto dia miisa 6 mirahalahy afaka hiasa avy hatrany, Ambatondrazaka ny iray ary ao Toamasina renivohitra ny 5. Izy ireo no hanao ny asany araka ny didim-pitondran’ny minisiteran’ny Fitsarana laharana 30.276/2015? ny 28 septambra 2015. Ireo mianadahy ambiny kosa dia mbola miana-draharaha eo anivon’ireo vadintany matihanina, ka iray nisafidy ny ao Moramanga, ao Toamasina kosa ny faharoa. Ho an’ireto mpiraki-teny sy mpanatoa soratra kosa dia ao Moramanga sy Ambatondrazaka ary Maroantsetra no nosafidianan’izy ireo hiasana manomboka izao, araka ny didim-pitondran’ny minisiteran’ny Fitsarana laharana 32.349/2015, ny 26 oktobra 2015. Taorian’izao fametrahana vadintany vaovao omaly izao izany dia miisa 10 izy ireo no miasa ara-dalàna ao Toamasina renivohitra, raha ny roa efa maty ary ny iray misotro ronony. Ny eo amin’ny mpiraki-teny sy mpanatoa soratra kosa dia miisa 7 no miasa eo anivon’ny faritan’i Toamasina, ka ny 4 ao Toamasina I ary iray avy kosa ireo hiasa ao Vatomandry sy Ambatondrazaka ary Maroantsetra.

“Mbola tsy ampy ireo isa ireo raha ny raharaham-pitsarana sy fankatoavana firaketan-tsoratra ilain’ny mpanjifa sy ny mpandraharaha no jerena, saingy ireo aloha no misy entina mamita ny asam-pitsarana sy ny filan’ny olona”, hoy ny Maitre Rasamamika, ary mbola nohamafisin’ny lehiben’ny mpampanoa lalàna ambony Atoa Andriamihangy Georges Florence lehiben’izy ireo raha ny lalana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici