Nikoropaka ny olona raha nahita ilay fanendahana amin’ny andro mazava. Samy nanao izao ho afany nanenjika an’ilay jiolahy ary vetivety foana dia vory nifanampy. Tsikaritr’ilay nenjehana ary rehefa hitany fa tsy ho afa-maina intsony izy satria nihananakaiky ireo vatan-dehilahy taorinany, dia naleony nihanika ilay andrin-jiro teo akaiky teo. Niakatra teny amin’ny farany ambony izy ary efa tena akaiky ireo « fil » mpitondra herinaratra. Ny asabotsy maraina teo no nitrangan’izany, teny amin’ny fasan’ny karàna, teo amin’ny manodidina ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka. Vory ny olona ary samy niandry ny fidinan’ilay jiolahy. Raha ny fiheveren’ny olona mantsy dia tsy maintsy hidina ho azy eo ihany izy rehefa reraka nihantona teny ambony teny. Tao anatin’izay fotoana izay ihany koa dia efa tonga teo ny mpitandro ny filaminana miadidy iny faritra iny. Dia samy niandry teo ny rehetra. Saingy tsy ilay noeritreretina no nitranga taorian’izay. Nahita hevitra hafa mantsy ilay jiolahy izay nisaoty teny ambony tafotranon’olona. Nahomby tokoa izany na dia teo aza ny ratra izay nanjo azo, tsy nahoany intsony satria may ny amin’ny fanavotany ny ainy izy. Nitsoaka niditra tany anaty ranon’Ikopa izy nony avy eo. Mbola tsy voasambotra ihany hatreo. Toe-javatra hafa mihitsy no nitranga, izay vao voasambotra ilay jiolahy : nifanenjana ny hozany noho ny harerahana rehefa tao anaty rano. Teo vao noraisim-potsiny ary nentin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany tany amin’ny biraony mba natao fanadihadiana. Avy nanendaka vehivavy iray haka taxi-brousse eo amin’ny fasan’ny karàna izy io raha araka ny fantatra.
D.R