
Tapaka “frein” ilay fiara tsy mataho-dàlana ary nifatratra tany amin’ny fiara fitateram-bahoaka iray. Teo amin’ny tetezan’Antalaviana-Antsirabe no nisehoan’ity lozam-pifamoivoizana ity ny asabotsy teo, tokony ho mitataovovonana. Tsy nisy ny namoy ny ainy ary tsy nisy ihany koa ny naratra na dia mafy aza ny fifandonana. Ireo fiara no potika tanteraka, indrindra ilay nandona. Satria teo ambonin’ny tetezana no nitrangan’ilay lozam-pifamoivoizana ary tsy vitan’izany fa nanano sarotra ny fanetsehana ireo fiara noho ny fahasimbany sy noho izy ireo efa ambavan’ny hilatsaka any anaty renirano, dia voatery tsy nahetsika aloha mandra-pahitàna vahaolana. Tapaka araka izany ny lalam-pirenena fahafito vokatr’izany. Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana satria na ny avy any atsimo na ny avy any avaratra dia tsy nisy afaka nihetsika intsony. Tamin’ny roa ora tolakandro tany vao nisokatra izany rehefa nifanome tànana ny rehetra tamin’ny fanetsehana ireo fiara.
D.R





