- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Taxi-brousse notifirin’ny mpanakan-dàlana

RN7 : Taxi-brousse notifirin’ny mpanakan-dàlana

Fiara mazdà iray, taxi-brousse, no nataon’ny jiolahy mpanakan-dàlana lasibatra ny sabotsy hifoha alahady teo. Raha araka ny fantatra dia avy any Fianarantsoa ilay fiara izay nitatitra olona no io voasakana tetsy Manandona-Antsirabe io. Miisa roapolo ireo jiolahy raha araka ny fanazavan’ny mpandeha ka noraisin’ny mpitandro ny filaminana an-tsoratra. Notifirin’izy ireo ny kodiaran’ilay fiara ary notorahiny vato ihany koa ny fitaratra. Tsy afa-nihetsika intsony ilay taxi-brousse vokatr’izany fanafihana izany. Nanomboka teo amin’izay  ny fandrobana ireo olona tao anatiny. Lasa avokoa ny entan’ireo mpandeha, raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Tsy vitan’izany fotsiny fa mbola nisy mpandeha naratra mafy ihany koa rehefa voadaroka nandritry ny fanafihana. Ny nahatalanjona dia ny nahitana basy PA iray tao anatin’ilay fiara rehefa nosavain’ny mpanao fanadihadiana. Niaraka tamin’ny bala aza izany raha araka ny fanamarihana hatrany. Hadino tao anatin’ilay fiara ve ny basy iray nampiasain’ireo jiolahy sa kosa mety azo heverina ny ho nisian’ny mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo tamin’ny mpandeha sasany tao anatin’ilay fiara fitaterana? Efa mateti-pitranga eo amin’io toerana io ny fanakanan-dàlana raha araka ny voamarika. Izany rahateo no antony nanasiana barazin’ny mpitandro ny filaminana teo. Saingy raha voatery niala teo ireo farany ka nanao fanarahan-dia dahalo mpangalatr’omby, dia nitranga amin’izay ilay fanakanan-dàlana…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici