Ny alatsinainy lasa teo, tratran’ny polisy miasahana any ady amin’ny zavamahadomelina teny Andohotapenaka ny lehilahy iray fantatra fa mpivarotra rongony. Tamin’ny fisavana natao ny tranony no nahitana rongony iray sakaosy milanja hatrany amin’ny 8kg sy fonosana efa voavaotra miisa 56. Rehefa nohadihadiana ity olona ity dia nilaza fa efa ela izy no nanao izao asa izao. Tratra ihany anefa izy ny alatsinainy teo. Nahazo vaovao ny polisy fa misy olona mivarotra rongony eny Andohotapenaka. Avy hatrany dia nandeha teny an-toerana ry zareo tokony ho tamin’ny 12 ora. Teo am-pivarotana ireo zava mahadomelina ilay lehilahy antsoina hoe Lucien, 45 taona, no tratra. Nilaza izy fa avy any Betroka ireo rongony ireo. Vidiany 200 000 ariary ny iray sakaosy milanja 10kg. Rehefa azony ny entana dia tsinjarainy amin’ny fonosana ka amidy 500 ariary ka hatramin’ny 2 000 arairy ny iray.
Omaly talata no natolotra ny Fampanoavana ity olona ity.
r.s.




