- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFoiben’ny Kiady : Nirehitra ny foibe etsy Amparibe

Foiben’ny Kiady : Nirehitra ny foibe etsy Amparibe

Kila tanteraka ny trano izay misy ny vakoka no sady mitahiry ny antotan-taratasy rehetra an’ny Skoto Laika eto Madagasikara. Hatreto dia “court-circuit” no heverina ho anton’ny firehetana. Sendra nivoaka ny mpiambina mba hividy sakafo any ivelany no nanomboka ny firehetana, omaly tokony ho tamin’ny valo ora maraina. Vetivety dia niitatra izany satria sady feno antontan-taratasy tao anatiny no nisy vakoka efa ela notazomina. Nifanome tànana teo ny olona namono ny afo ary tonga teo ihany koa ny mpamonjy voina. Na izany aza anefa dia tsy nanakana ny afo tsy nanimba ilay trano sy ny tao anatiny izany. Tao anatin’ny fotoana fohy dia efa rava ny rehetra. Anio, raha araka ny fantatra, no hanao tombana ny amin’ny simba sy ny very ny birao foiben’ny skoty laika.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici