- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Saika raikitra ny sakoroka, fiara nanaraka mpandevina tsy nanara-dalàna, voasakan’ny...

Ankazomanga : Saika raikitra ny sakoroka, fiara nanaraka mpandevina tsy nanara-dalàna, voasakan’ny pôlisy

« Izao indray ilay fanamparam-pahefana ataon’ny pôlisy ». Saika izay avokoa ny teny am-bavan’ny olona maro raha ny mikasika ity tranga niseho tetsy Ankazomanga ity. Omaly antoandro tokoa, saika raikitra ny sakoroka teo akaikin’ny « rond point » Ankazomanga, teo amin’ny pôlisy sy ny olona. Fiara nisy fianakaviana handeha handevina no voatery nosakan’ny pôlisy raha nampiditra olona teny an-toerana. Rehefa natao ny fisavàna dia notazomina ary nentin’ity pôlisy iray avy amin’ny « brigade mobile de la circulation » (BMC), ny taratasin’ilay fiara. Nidina avokoa ireo olona rehetra tao anaty fiara, samy nitabataba, tamin’ity mpitandro filaminana ity avokoa. Etsy andanin’izay ihany koa, nanoloana ny zava-nitranga, tsy nahatana fa namaly ihany koa ilay mpitandro filaminana, ka isan’ny nampiakatra ny maro. Efa nitangorona maromaro ny olona. Tonga teny an-toerana mihitsy ny lehiben’ity mpitandro filaminana ity nanazava tamin’ireo olona teny an-toerana. Efa nandeha sahady mantsy tamin’izay ny feo fa fanararaontam-pahefana izao, satria fiara nanaraka mpandevina, tsy tokony ho voasava izany. Ny niparitaka tao anaty tambajotra sosialy aza dia hoe, ilay fiara nitondra razana mihitsy no nosakanan’ny pôlisy. Nanazava ny tompon’andraikitra tao amin’ny Kaomisaria foibe Tsaralalàna fa « na dia tsy mifaditrovana aza ve ny mpitandro filaminana dia fiara mitondra razana no handeha hosavaina. Ilay fiara taorianany no nosavain’ilay pôlisy rehefa nampiakatra olona izy. Ary nentiny ilay taratasin’ny fiara satria tsy ara-dalàna izy io. Tsy hita tao anatiny ny fahazoan-dalàna nahafahan’ilay fiara nandeha teny amin’iny faritra iny ». Nilamina ihany ity raharaha anefa ity nony farany. «Tsy nisy fanasaziana natao azy akory, na hoe nalaina ilay taratasin’ny fiara. Nomena fampitandremana am-bava fotsiny izy » hoy hatrany ny fanazavana.

Ekena fa misy amin’ireo mpitandro filaminana no manampatra ny fahefany sy mpila vaniny, izay mila ny fijeren’ireo lehibeny izany akaiky. Saingy na izany aza, ireo mpampiasa lalana no tokony hanara-dalàna voalohany indrindra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici