- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalalava : Novonoiny ny zanany fa hisy haka vady izy

Analalava : Novonoiny ny zanany fa hisy haka vady izy

Renim-pianakaviana iray sahabo ho 25 taona, monina ao an-tanànan’ Ambohimarina, any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Maromandia, distrikan’ Analalava no namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ny zanany naterany roa taona. Ny fatin’ilay zazakely hitan’ny fokonolona, ny zoma lasa teo, nitsingevana tao amin’ny reniranon’i Maetsamalaza no nanaitra ny teo an-tanàna, ka raikitra avy hatrany ny fikarohana an’ilay vehivavy nahavanon-doza, izay nitsoaka. Ny ampitson’io ihany (asabotsy) dia voasambotry ny fokonolona teo amin’ny reniranon’Ambavatsivikinigny ilay ramatoa nanapitra ny ain-janany, ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka, raha tsy nalaky tonga ny mpitandro filaminana. Raha ny vaovao voaray dia latsa-pitia tamina tovolahy iray nampanantena haka vady azy ary hanorim-ponenana any Nosy-Be izy roa, ity tovovavy efa nisara-bady, nefa nanda ny hampiakatra azy ho vady ity olon-tiany vaovao, satria efa  manan-janaka izy. Io antony io no nanosika an’ity vehivavy ity namono ka nanapitra ny ain-janany tsy manan-tsiny naterany. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ity renim-pianakaviana namono nahafaty ny menaky ny ainy ity, raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici