Mitebiteby fatratra ny mpampiasa ny lalàna RN 44 mampitohy an’ Ambatondrazaka sy Moramanga amin’izao fotoana izao, noho ny fahasimban’ny tetezana iray eo akaikin’ny tanànan’Ambodirano Andaingo. Simba tanteraka mantsy io tetezana io ka ireo fiara izay hiampita no manamboamboatra ireo tsivalan-kazo mandrafitra azy. Atahorana, araka izany, ny fahatapahana sy ny mety ho fisian’ny loza amin’ny fivarinan’ny fiara any anaty hantsana lalina .Araka ny nambaran’ireo mpampiasa ny lalàna dia efa ela no nahafantaran’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny io fahasimbana io fa toa samy mihalangalana hatrany ny rehetra .Raha manomboka mirotsaka ny orana aty Alaotra amin’izao fotoana izao dia hita ho betsaka sahady ireo lalàna sy tetezana tototry ny rano ka mety hampanano sarotra ny fifamoivoizana sy mety hahatapaka ny lalana mihitsy. Maro rahateo ny fiara vaventy mivezivezy sy mampiasa io lalàna io .Efa nanomboka ny faha 25 novambra 2015 teo kosa ny fanamboarana ny lalàna eto an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka , ka raha 1Km 900 no nampanantenain’ny filohan’ny repobilika tamin’ny fametrahana ny vato fehizoro ,dia zara raha 900m no hatao, hoy ny tompon’andraikitry ny Ambatovy, izay mpamatsy vola ny asa, satria io no tetibola efa voaomana, araka ny fanazavana .Fantatra fa ny orinasa Madimex Sarl avy any Antananarivo no nahazo ny tetikasa. Manantena ny hitohizan’ny asa ny vahoaka satria mahatratra hatrany amin’ny 24Km ny fahasimban’ny lalàna eto Ambatondrazaka.
Janus R




