- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKidnapping Toamasina : Mpitsara sy pôlisy iray hanaovana fanadihadiana

Kidnapping Toamasina : Mpitsara sy pôlisy iray hanaovana fanadihadiana

Olona telo no hitodian’ny fanadihadiana lalina amin’izao fotoana izao. Ny voalohany dia lehilahy iray izay efa voarohirohy tamin’ny fanaovana vola sandoka. Ny faharoa dia pôlisy izay efa nahiana hatry ny ela ho niray petsapetsa tamin’ny mpaka an-keriny izay efa nitranga tao Toamasina. Ny fahatelo farany kosa dia mpitsara mbola amperin’asa. Nisy ny fivoarian’ny manam-pahefana tao an-toerana mahakasika io tranga fakàna an-keriny farany tany Toamasina io ka nivoahan’ny anaran’ireo olona telo ireo. Raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nomena alàlana ny mpanao fanadihadiana mba tsy hiandany tanteraka amin’ny fihainoana azy ireo.  Raha araka ny fantatra dia ny andron’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina no niantso ireo mpaka an-keriny ny amin’ny vola izay takian’izy ireo ho takalon’aina. Mitentina efatra tapitrisa euro, raha tsiahivina kely, ny notakian’izy ireo tamin’izany. Vetivety dia nitàna ny sain’ny maro ity raharaha ity satria sady olona akaiky ny resaka andramena no voakasika no koa ity no faran’ny ambony indrindra tamin’ny vola takalon’aina notakian’ny jiolahy, tao anatin’ny tantaran’ny raharaha fakàna an-keriny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici