- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra “scooter” : Nitory pôlisy dimilahy ny tompony

Halatra “scooter” : Nitory pôlisy dimilahy ny tompony

Lany andro amin’ny fiantohana (assurance), avy hatrany dia nasaina nidina ny tompony ary nentina teny amin’ny kaomisaria ny môtô. Eo dia efa mitranga sahady ny tsy fanarahan-dalàna satria tsy manan-jo ny nanao fanagiazana ireo mpitandro ny filaminana raha resaka fahalanian’ny fitiantohana izany. Omena taratasy “contravention” fotsiny raha ny tokony hoizy ny tompony dia alaina ny taratasin’ny môtô. Ny zava-nisy anefa dia nalaina tanteraka teny aminy izany fitaovam-pifamoivoizana izany. Rehefa tonga teny anivon’ilay kaomisaria voakasika ary hotononina manaraka ilay olona niharan’izany dia gaga izy raha nahita fa niova tanteraka ny lokon’ny môtô ary natao izay tsy hamantarana azy intsony. Teo dia nazava ny resaka : nangalarin’ireo pôlisy ilay fitaovana. Nametraka fitoriana avy hatrany izy ary nisy ny fanadihadiana nosokafana nanomboka omaly teo anivon’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io. Tadidin’ilay olona rahateo ny tarehin’ireo dimy lahy nanakana azy na dia somary alina aza ny andro tamin’io fotoana io. Raha araka ny fantatra dia nisy ihany koa ny fanadihadiana anatiny momba ity raharaha ity ary tsy maintsy ho tonga eny anivon’ny fampanoavana ny dosie raha tsy hoe angaha horahonana indray ny tompon’ny môtô na koa hisy ny endrina mety hanerena azy hanao raharaham-pihavanana. Izany hoe haverina aminy ny fitaovana dia…mangina izy. Heloka roa avy hatrany no mibaribary amin’ity tranga ity dia ny fanaparam-pahefana sy ny…halatra. Tsy ho afa-maina ireo mpitandro ny filaminana ireo raha toa ka handeha araky ny tokony ho izy ny paik’adin-dalàna rehetra. Saingy iaraha-mahita ihany ny  fisian’ny kitranoantrano eto an-drenivohitra sy ny ramatahora isan-karazany manjo ny sivily mba sahy. Dia raha ny mpitandro ny filaminana izay tokony hiaro ny ain’ny olona sy ny fananany indray no mandroba toa izao, iza intsony izany no antenaina hiaro? Handrasana ny fanaraha-maso ataon’ny lehiben’ity vondrona ity ny raharaha izay heverina fa pitsopitsony toa itony kanefa misy akony lehibe eo amin’ny olom-pirenena sy ny fahatokisany ny mpitandro ny filaminana…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici