- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping an’i Arnaud sy Anny : Tsy mbola voaloa ilay 4 tapitrisa...

Kidnapping an’i Arnaud sy Anny : Tsy mbola voaloa ilay 4 tapitrisa « euros »

Sambany tamin’ny tantaran’ny fakana an-keriny tao Toamasina, no nanao fanazavana mivantana ny zava-misy sy ny zava-mitranga, ny fitsarana. Ilay didim-pitondrana laharana 22.284/2015 ny 06 jolay 2015 mametraka ny sampana fampitam-baovaon’ny fitsarana, sahanin’ireo lehiben’ny fampanoavana avy ao aminy; mba ho fanomezana tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka, sy fametrahana ny mangarahara, ary hipetrahan’ny fifampitokisana amin’ny vahoaka sy ny fitsarana. Nisy noho izany ny fanazavana nivantana nataon’Atoa Lauret Rajaonah Thierry, tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina.

« Mpitsara » sy « pôlisy ». « Tsy marina ny filazana, fa misy mpitsara sy pôlisy hanaovana fanadihadiana izao, mikasika iny fakana an-keriny iny. Ny azoko ambara fotsiny, dia misy olona maromaro efa arahi-maso sy anaovana fanadihadiana mikasika azy iny, ka hohitantsika tsy ho ela ny vokany », izay no nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina nanome ny fanazavana, omaly mitatao vovonana. Notsindriany hatrany, fa « misy iraka mpitsara manao fanadihadiana tokoa ny fitsarana aoToamasina izao, saingy tsy momba ity raharaha ity, fa mikasika ny RRI 100 andron’ny fitsarana, sy ny fametrahana ny mangaraharaha, ary ny fitantanana sy ny fivoaran’ny fitsarana manokana « Chaine penale ». Momba ny fanadihadiana no nambarany, fa tsy nisy resaka kosa ny mikasika ny fanaraha-maso ireo anarana « mpitsara » sy « pôlisy » ary « mpibizina » voatonontonona io, izay tsy noforonina fa ny fivorian’ny mpitandro ny filaminana nandinika ny raharaha, no nivoahan’ireo anarana ireo, ka tonga teo am-pototsofin’ny mpanao gazety. Ny angom-baovao koa aza no nahalalana fa, ilay tatitra nataon’ny masohivoho frantsay nomena ny fanjakana malagasy momba ireo atidoha na mpanao fakana an-keriny eto amintsika, izay nahavoa tera-tany frantsay maromaro hatramin’ny tetezamita no mankaty, dia voasoratra ao ny anaran’ireo olona voatonona ireo, ka hain’ny minisiteran’ny fitsarana tsara.

Miandry vokatra tsy ho ela. « Tsy maintsy mipetraka amin’ny tsiambaratelom-pamotorana isika izao, nefa tena miroso ny fanadihadiana ka mino aho fa tsy ho ela dia hisy ny vokatra mivaingana ho azo », hoy hatrany Atoa Lauret Rajaonah Thierry. Ho an’Atoa Andriamihangy Georges Florence mpampanoa lalàna ny fitsarana ambony Toamasina, dia « tsy mitovy tamin’ny zava-nisy teo aloha ny tranga izao, satria mora iarahana miasa sy manampy betsaka ny fanamorana ny fikarohana ireo fianakaviana. Na izany na tsy mitory aza ny fianakavian’ireo niharany dia misokatra ho azy ny fanadiadiana noho izy tafiditra amin’ny filaminam-bahoaka ankapobeny ». Ankilan’izay dia ny fanazavana azo ihany koa no nahafantarana, fa na efa voaloha tamin’ireo mpaka an-keriny azy aza ny vola 100 tapitrisa ariary mikasika ny raharaha Moustapha Azir, dia mbola tsy novotsoran’ireo mpaka an-keriny azy izy hatramin’izao. voalaza ny angom-baovao aza fa, efa misy mandrahona haka an-keriny ihany koa ny rahalahiny manana fivarotana ao Tanambao V sy ny zanany, ka misy ny fiambenana azy ireo manokana izao.

Ankoatra izay ho an’ireo zanaka mpandraharaha sy zanaka tera-tany vahiny, indrindra ireo zanaka sinoa sy karana, ao Toamasina dia samy nandraisan’ny ray aman-drenin’izy ireo fepetra manokana izao. Taorian’ny zava-nitranga tany frantsa iny ihany koa, dia efa nisy ny fepetra noraisin’ny masohivoho frantsay ao Toamasina, nanamafy ny fiambenana ireo sekoly sy ireo orinasa frantsay ao Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici