Afaka milamin-tsaina amin’izay ireo tompona môtô, eny amin’iny faritra Ambohimanarina sy ny manodidina iny. Ravan’ny pôlisy avy amin’ny boriborintany faha-6 mantsy ny tambajotra iray mpangalatra scooter, eny amin’iny faritra iny. Efatra izy ireo no tra-tehaka teo am-pandravana môtô roa, teny Ambohimanarina. Niaiky ireto efa-dahy ireto, izay ahitana « mécanicien », mpangalatra ary mpivarotra, fa tsy azy ireto « scooter » ireto, ambonin’izay, tsy nisy taratasy ihany koa. Porofo izany fa môtô avy nangalarina ireto « scooter » roa ireto. Araka ny fanazavana azo avy tamin’ny tompon’andraikitra voalohan’ ny kaomisarian’ ny boriborintany faha-6, dia loharanom-baovao avy amin’ny mponina no nahafantarana ny fisian’ireo tambajotra mpangalatra môtô ireto. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo pôlisy, ka izay no nahatrarana azy efa-dahy ireto. Araka ny fantatra, dia môtô avy eny amin’iny faritra Ankorondrano sy ny manodidina iny no tena lasibatr’izy ireo, ary entiny eny Ambohimanarina horavaina sy haverina hamboarina avy eo. Efa tena io fangalarana môtô io mihitsy no asan’izy ireo, raha ny loharanom-baovao hatrany. Rehefa vita mantsy ny fanamboarana ireo môtô halatra, dia amidin-dry zalahy amin’ireo izay mila « scooter ». Omaly ireto efa-dahy mpangalatra môtô ireto no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L