Ambohimangakely. Dahalo roa tratran’ny zandary. Miakatra eto Andrenivohitra ny dahalo. Mpangalatr’omby roalahy no tratran’ny zandary teny Ambohimangakely, ny 16 novambra lasa teo. Nandroaka omby nampiahiahy teny amin’ny làlan’ny By pass izy ireo, no nifanehitra tamin’ny zandary. Nisy nampiahiahy tamin’ny taratasin’omby ,ka dia nanapa-kevitra ny hanadihady sy hampiditra « fourrière » ireo omby 5 ny zandary. Tamin’izany no tafaporitsaka ny iray tamin’ireo dahalo. Mitohy ny fikarohana. Natolotra ny Fampanoavana kosa iretsy roalahy voasambotra.
Nangonin’i m.L