#- 67ha. Voapaingotra i Vazaha sy ny namany, mpanendaka ikoizana. Nataon’ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany faha-7 etsy 67ha, sarika am-pandriana teny an-tranony teny Antsalovana i Vazaha, lehiben’ny mpanendaka eny amin’iny faritra iny, ny talata lasa teo. Efa niomana ny hifindra trano mihitsy ranamana izao voapaingotry ny pôlisy izao. Mbola nahitana basy poleta iray PA, avy nangalariny tamin’ olona noendahiny teny 67ha. Talohan’io, efa voasambotra ny namany roa hafa. Natolotra ny Fampanovana omaly ireto mpanendaka rain-dahiny ireto.
#-Anosibe. Ravan’ny tetik’ireo jiolahy saika hikononkonona fanafihana. Nanao bemidina tamin’ny toerana fanaovana karaoke iray ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5, teny Anosibe, ny alatsinainy teo. Tamin’izany no nahatrarana lehilahy iray niaraka tamina basy PA 7,65mm sy bala maromaro. Andian-jiolahy mpanao fanafihana izy ireto, ka alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny dia any anatin’ireny trano fanaovana karaoké ireny no hanaovan’izy ireo ny drafitra rehetra. Marihina fa mbola misy naman’ity voasambotra ity, karohina amin’izao fotoana izao. Izany antsoina hoe Johary izany.
#-Imerintsiatosika. Fiara 4X4 nitsoaka rehefa avy nandona nahafaty ankizikely. Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, omaly hariva, tokony ho tamin’ny valo. Zazalahy kely iray no maty tsy tra-drano rehefa avy nodomina fiara tsy mataho-dalàna iray. Araka ny fampitam-baovao azo dia tsy nijanona akory ity fiara ity fa lasa nitsoaka. Efa eny an-tanan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha.
#-Tsiroanomandidy. Fanafihan-dahalo, olona iray maty trobaky ny bala. Nisehoana fanafihan-dahalo nivaivay indray tany amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny, ny alin’ny talata lasa teo, tao amin’ny tanànan’i Besaly, kaominina Fihaonana. Dahalo am-polony nirongo basy no nanafika tompon’omby. Nirefotra ny basy. Vokany, olona iray trobaky ny bala teo amin’ny kibony ary maty tsy tra-drano, omby 50 kosa no lasan’ireo dahalo. Efa mandeha ny fanarahan-dia ataon’ireo fokonolona miaraka amin’ny zandary.
#-Mananara Avaratra. Olona namono olona, matin’ny fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray avy nanatsatoka antsy ny lehilahy iray hafa, no matin’ny fitsaram-bahoaka tany amin’iny distrika Mananara Avaratra iny, tao amin’ny tanànan’Ambodivohitra, kaominina Analampotsy ny talata lasa teo. Lahiantitra 81 taona ity voatsatoka antsy ity ka namoy ny ainy. Tezitra tamin’izany ny fokonolona ka namono ihany koa ity nahavanon-doza ity. Nidina tany ifotony ny lehiben’ny zandary tany an-toerana, ary efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao.
Nangonin’i m.L / r.s