Nivoaka ny didy omaly : telo taona an-tranomaizina, miampy fandoavana onitra roa tapitrisa ariary. Io no sazy nomen’ireo mpitsara an’i Sœur Fabiola, taorian’ny fitorian’ireo olona telo mpiara-mivavaka aminy teo aloha. Voaheloka ho nisoloky ireto olona ireto mantsy ity mpitarika sy mpanorina ny fiangonana « Kristianina miara-mivavaka » ity.
Raha tsiahivina, ny 17 novambra lasa teo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ity mpitarika fivavahana efa in-droa nitsangako velona ity. Mpiara-mivavaka tao amin’ny fiangonna nentiny taloha ihany no nitory azy tamin’io fotoana io, ho mpisoloky. Tao anatin’ny toriteniny mantsy dia nilaza i Sœur Fabiola fa « mila entina any aminy hodorana izay fananana azo talohan’ny fanambadiana, fa fanaka voaozona ». Entanim-po be loatra ary mety ho tratran’ny fanasana atidoha henjana ny sasany tamin’ireo mpivavaka ka nitondra ireo izay hany fananany tokoa tany amin’ity mpitarika fivavahana ity. Ny taona 2013 no niseho io tantara io. Taty aoriana kelin’ny « nitsanganan’ny Rahavavin’izy ireo tamin’ny maty », fanindroany indray anefa, herintaona taty aoriana, tonga saina ny sasany, izay naheno fa tsy nodorana velively ireo fanakaan-tapitrisany ireo, fa nozarain’ity farany tamin’ny fianakaviany. Nampidirina ny fitoriana ary dia io niafara tamin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika an’i Sœur Fabiola io ary izao fanamelohan’ny fitsarana azy izao. Ambonin’ny sazy mihantona 42 volana nomen’ny fitsarana mantsy dia neken’ireo mpitsara ihany koa ny onitra nangatahan’ireo voasoloky, mitentina roa tapitrisa ariary.
Raha amin’ny fandehan-javatra amin’izao fotoana izao tokoa, toa hita fa efa mianjera tsikelikely ireo mpanasa atidohan’olona. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay tany Mahajanga, amin’izao ao Miandrivazo, ary ity eto an-drenivohitra ity. Ny andrasan’ny rehetra, « mety ho iza indray re ny manaraka e » …
m.L