- Publicité SW45 -
samedi, janvier 4, 2025
AccueilFaits-DiversKohen Rivolala : Nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny resaka famosaviana

Kohen Rivolala : Nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny resaka famosaviana

Omaly no nentina teny anivon’ny fampanaovana tao Miandrivazo ny Kohen Rivolala ary nanomboka nohenoin’ny mpitsara. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia mbola tian’ny mpitsara ampiana ny fanadihadiana azy. Vokatr’izay dia naverina eny anivon’ny kaomisaria izy omaly, ary nohainoina. Omaly hariva ihany anefa dia fantatra fa nampidirina vonjy maika any am-ponja ny anao lahy miaraka amina olona efatra hafa. Fitazonana ody gasy, mosavy, famitahana ho mahay manasitrana, ireo hatreto ny vesatra hiampangana azy. Ny ray aman-drenin’ireo tanora 70 isa, izay nihetsika ambalavelona rehefa notsaboin’i Tictacdou no nitory noho ny mosavy sy fisolokiana. Niampy teny antsefantsefany teny anefa ny vesatra rehefa nahitana ireo ody ratsy tany amin’i Kohen Rivolala. Nandritry ny fihetseham-bahoaka dia nanaiky ny fangatahan’ireo olona marobe ny zandary mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy. Tsy inona izany fa ny fanapahana ny volon’ny Kohen ary ny fanariana an’izany any anaty rano mandeha. Tezitra tanteraka ny olona momba ity mpanasitrana hafahafa ity. Manara-maso akaiky ny raharaha i Miandrivazo iray manontolo ary tonga hatraty Andrenivohitra aza izany. Ny antony dia satria afa-maina hatrany i Kohen tamin’ny raharaham-pitsarana izay nahazo azy teto Antananarivo. Asa indray amin’ity indray mitoraka ity na dia efa mandeha aza ny feo fa misy olona ambony, teny ambony isan’ny miaro azy. Misy ihany ny manahy an’izany satria raha jerena anaty fehezan-dalàna famaizana, na ny fitazomana ody gasy fotsiny aza dia efa afaka nampidirana am-ponja azy ary azo atao tsara ny manohy ny fanadihadiana azy, aorian’izay…

Efa miparitaka any anaty tambazotra sosialy ny sarin’ity olona ity nosolaina ny lohany. Raha ny fandehan-javatra tany Miandrivazo, dia mety ho toy izao hita amin’ny sary ao amin’ny pejy voalohany no ahazo azy. Tsy vao izao moa no niakatra fitsarana ity lehilahy. Efa fanindroany izao.

D.R/Eric manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici