- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversPôlisy sy zandary nifanenjika : Niainga teny Sabnam ka hatreny Betongolo

Pôlisy sy zandary nifanenjika : Niainga teny Sabnam ka hatreny Betongolo

Ny fanazavan’ny zandary aloha hatreto no ôfisialy : “avy nanao fidinana an-tsehatra tany Ambatomanohina ny olonay izay tao anatin’ny fiara Emmo-Sécurité mitondra ny laharana Z4823 no nosakanan’ny pôlisy nanao barazy tetsy Sabotsy-Namehana…efa nampahafantatra ny tenanay izahay kanefa tsy noraharahiana…tsy mazava ihany koa ny anton’ny fanakanana…nenjehan’ireo pôlisy izahay rehefa niala teo an-toerana ary mbola naverina nosakanana indray teny Anjanahary…nisy indray ny fifampiresahana teo kanefa dia mbola nenjehina hatrany izahay…raha tsy niditra tao amin’ny “camp tao Betongolo” izay vao navelan’ireo”. Marobe sahady ny feo nandeha nahakasika an’ity fifanenjehan’ny zandary sy ny pôlisy ity, izay efa nivoaka gazety rahateo. Nisy ny nilaza fa nahazo baiko ireo pôlisy ny nanakana, satria nitondra vato sarobidy ilay fiaran’ny zandary. Mazava hoazy ihany koa fa matoa izy ireo nanana fahasahiana ny hanenjika eran’ny tanàna toa izao dia tsy maintsy nisy ny baiko nidina. Naninona ireo pôlisy no nanakana? Naninona ireo zandary no tsy niresaka hatramin’ny farany rehefa nenjehina fa nitsoaka ihany? Handrasana koa ny fanazavan’ny pôlisy mba tsy hisian’ny fitanilàna…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici