- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Ankizivavy 15 taona avy nivarotra saribao niharan’ny fanolanana tambabe

Fianarantsoa : Ankizivavy 15 taona avy nivarotra saribao niharan’ny fanolanana tambabe

Mirongatra mafy tokoa tato ho ato ny fanolanana ankizy tsy ampy taona. Ankizivavy 15 taona avy any ambanivohitra izay avy nivarotra saribao tao an-drenivohitry Betsileo no naolana telolahy efa mamomamon’ny galeoka, ny asabotsy hariva teo, tany Fianarantsoa, 5 km miala ny tampon-tanàna. Nenjehin’izy telolahy tao anaty tanimbary ity zazavavy ity, raha niampita teo, saika hamonjy fodiana (sahabo 3 km miala amin’ny tanànany), ka nianjere nihosom-potaka. Nobatain’izy ireo tany anaty kirihitr’ala avy eo ary niharan’ny fanolanana tambabe.

Valifaty. Niezaka niantso vonjy ity ankizivavy ity, nefa voatampina ny vava ka nanaram-po ireo mpanolana nifandimby niakatra nanao ny filany. Norarahan’ireo mpanolana ny ambin-toaka sisa teny amin’izy ireo ny vavan’ity zazavavy ity, ary dia nirifatra nandositra izy telolahy, ka mbola tsy nisy voasambotra hatramin’izao. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia sipan’ity zazavavy ity taloha ny iray tamin’ireo nanolana azy, satria noraran’ny ray aman-dreny ny fiarahan’izy roa, noho ny resaka ady tany roa volana lasa izay. Valifaty ?

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici