- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie : Tsy misy vokany ireo fisavana...

Fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie : Tsy misy vokany ireo fisavana maro be natao

Nanomboka hatramin’ny nahatongavan’ireo Gsis avy eto Antananarivo, ny talata lasa teo, dia firimorimona eran’ny tanana, sy fisavana trano etsy sy eroa no mitranga. Manginy fotsiny ny tondro molotra sy ny halako bika tsy tiako tarehy ataon’ireo milaza fa mpanome vaovao ny mpitandro ny filaminana, ka hisian’ny fisamborana fahatany amin’izao fakana an-keriny izao.

Saika isan’andro dia misy tranon’olona savaina ao Toamasina, mikasika ity raharaha fakana an-keriny ity, eo ireo trano fandraisam-bahiny roa, hatramin’ny trano na mpitsara tonia mpampanoa lalana teo aloha ; izay tompon’ny trano nofaina mpandraharaha na andramena iray teo aloha. Raha ny zava-misy ao Toamasina izany izao, dia izay tokony hosavaina trano tsy manana ahiahy, fa ireo tsy misy idiran’ity raharaha ity no lasibatra sy anaovana be midina. Na eo anefa ireo fihetsiketsehana ireo,dia tsy mbola nahita vokatra ny asan’ny Gsis eo amin’ny fanafahana azy mianadahy.

Tonga koa ny FIP. Nanomboka ny alahady teo, dia tonga ao Toamasina ihany koa ny Hery Vonjy Taitran’ny Polisy (FIP) avy eto Antananarivo. Araka ny angom-baovao, dia ny borigadin’ny heloka be vava Anosy no nandefa azy ireo, hanao ny fikarohana an’i Arnaud sy Annie izay efa feno 08 andro izao no tsy heno maty, tsy re velona, ary tsy re marary, taorian’ny nakan’olona azy nitana basy mahery vaika sy nanao saron-tava. Hatreto ihany koa dia ny fifampiresahana amin’ireo mpaka an-keriny azy mianadahy no mbola misy, fa ny fanomezana ireo vola notakian’izy ireo tsy mbola misy hatramin’izao.

Raha ny angom-baovao koa dia manara-maso akaiky ity raharaha ity ny Frantsay. Manana zom-pirenena frantsay mantsy ireo ankizy tsy mbola hita ireo. Tao anatin’ny tetezamita ny mankaty ihany koa, dia olona manana zom-pirenena Frantsay avokoa ireo niharan’ny fakana an-keriny sy notakiana vola be ; izay isany nahatonga ny frantsay nanao fanadiadiana manokana, ary namoahany lisitra mihitsy ny taona lasa, natolony ny fanjakana malagasy. Taorian’ity fakana an-keriny ity, dia tena nohamafisina ny fiambenana ny lycée français Toamasina sy ireo sekoly frantsay samy hafa. Ankoatra izay, dia efa tonga eto an-tanindrazana ihany koa ny rain’i Arnaud sy ny Annie raha niaina fotoana naharitra tany ivelany, noho ny raharaha manokany. Koa ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity amin’ny hetsiky fikarohana ataon’ny Fip sy ny Gsis, izay samy hampiseho ny fahaizany ao Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici