- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversPlanète Ambohijatovo : Nobatain’ny jiolahy ny 40 tapitrisaAr. tao anaty « coffre...

Planète Ambohijatovo : Nobatain’ny jiolahy ny 40 tapitrisaAr. tao anaty « coffre »

Omaly manodidina ny tamin’ny roa ora maraina no heverina ho nitrangan’ity asan-jiolahy ity. Nanjavona tao amin’ny toerany ny vata fitoeram-bola, an’ny toeram-pisakafoanana “planète” etsy Ambohijatovo. Raha araka ny fantatra dia eo anelanelan’ny 30 ka hatramin’ny 40 tapitrisa ariary ny tetin’ny vola nanjavona tao anatin’ity raharaha ity. Omaly ihany dia nosokafan’ny pôlisy ny fanadihadiana ary fantatra fa karohina ny mpiambina ity toerana ity. Izy io, raha araka ny loharanom-baovaonay, dia tsy hita raha vao niseho ny fandrobàna. Nopoirina ny varavarana nahafahana nitsofoka tao anatin’ilay toerana. Taorian’izay dia afaka nivezivezy tao anatiny ireo jiolahy ary nanam-potoana nibata ny fitoeram-bola. Misy ny firaisana tsikombakomba raha ny fijery ivelany ny raharaha. Ny antony dia satria tsy ho vitan’ny olona iray mihitsy ny sady hamaky no hibata fitoeram-bola, indrindra koa ao anatin’ny fotoana fohy. Manaraka izany, efa olona mahay ny toerana ihany matoa hitan’izy ireo avy hatrany ny misy izany, ary koa ny antony nisafidianana ny fotoana namakiana ny trano, izay nitontona indrindra tamin’ny nisian’ny vola tao anatin’ilay “coffre”. Raha ny fanazavana azo dia fitoeram-bola goavam-be ary olona tsy latsaky ny enina any no heverina fa mahazaka azy. Mazava ho azy koa fa efa nisy fiara tsy maintsy nijanona teo amin’ny manodidina nampiasaina tamin’ny fitaterana ilay fitaovana fametraham-bola. Nohenoina ny olona maromaro noho ity raharaha vaky trano tetsy Ambohijatovo ity ary ny tena ezaka voalohany dia ny hisamborana ny mpiambina. Mirongatra ny asan-jiolahy rehefa faran’ny taona toy izao ary io tetsy Ambohijatovo io no isan’ny  nisantatra an’izany. Miakatra hatrany ny salan’isan’ny vaky trano sy ny fanendahana ary koa ny fanafihana mitam-piadiana rehefa volana desambra, izany dia isan-taona. Heverina fa mila hamafisina ny fiarovana ny boriborintany tsirairay avy eto an-drenivohitra ary torak’izany ihany koa ny fisafoana amin’ny alina any anaty elakelan-trano maizina rehetra any. Ny atao hoe manamafy fandriam-pahalemana mantsy eto amintsika dia mijanona fotsiny eo amin’ny fisavàna taratasin’ny fiara miaraka amin’ny basy. Tsy ny olona handeha fiara mihitsy anefa matetika no handeha hanendaka sy handroba any anaty tanàna any…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici