- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Ben’ny tanàna voatondro ho namosavy ny mpifanandrina aminy

Mananjary : Ben’ny tanàna voatondro ho namosavy ny mpifanandrina aminy

Ben’ny tanàna teo aloha iray, any amin’ny kaominina Mahavoky avaratra, Mananjary no voatondron’ny mponina fa hoe namosavy ka namono nahafaty ny mpifanandrina taminy, tamin’ny fifidianana kaominaly, volana vitsivitsy lasa izay. Tsy sahy miditra any amin’ity kaominina tantaniny ity intsony Ingahy « maire » teo aloha. Matahotra fitsaram-bahoaka mantsy. Raha ny vaovao azo tany an-toerana, dia nataon’ny mponina tao amin’ity tanàna ity hazalambo ity rangahy ity. Nandeha mihitsy aza ny feo fa nahatratrarana tapa-kazo sy ody maromaro tao an-tranony, ka antony iray vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ny olona. Voatery niala tany an-toerana ingahy ben’ny tanàna, teo aloha araka izany. Ny herinandro lasa teo, no saika hiverina tany amin’ity faritra iadidiany teo aloha ity izy, raha ny fampitam-baovao azo hatrany, saingy « nisy nampilaza aloha fa mbola maimbo rà ireo fokonolona, ary miandry azy. Ambonin’izay, efa nofantsihan’ireo mponina, tsy azo idirana intsony ny tranony » any an-toerana. Raha ny tranga niseho nahatonga izany, taoriana kelin’ny nanambarana ny vokatra ofisialy sy nametrahana ireo ben’ny tanàna vaovao, dia nodimandry tampoka ny ben’ny tanàna vaovao. Niantefa avy hatrany tany amin’ny mpifanandrina aminy ny mason’ny olona, ka tsy nisalasala nanondro iry voalohany. Saika raikitra ny fitsaram-bahoaka, saingy nalaky niala tany amin’io tanàna io ilay taloha. Amin’izao fotoana izao, raha ny fantatra dia efa manao ny fanadihadiana rehetra ireo mpitandro filaminana, manazava ity raharaha mampifanolana ny mponina sy ity « maire » teo aloha ity. Mbola mijanona tsy misy ben’ny tanàna kosa ity tanàna ity amin’izao fotoana izao, ary efa re fa hoe haverina ny fifidianana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici