Hagagana ny an’ny fianakavian’ity lehilahy iray maty tany amin’ny faritra Atsimo, tany Benenitra fa rehefa tonga ny razana, dia nahita ry zareo fa tsy nisy tongotra sy aty intsony ny havany. Tamin’ny fotoana hamonosana ny razana, hoy ny vaovao voaray no nahafantarana izany zavatra izany teny Imerimandroso- Ambohidratrimo. Nifono plastika sy lamba ilay izy tamin’ny fahatongavany teny an-tanindrazany. Niasa tamina orinasa iray tany amin’ny faritra Atsimo any ity lehilahy ity. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny razana moa, nisy solontenan’ilay orinasa tonga nanatrika teo. Rehefa nanontaniana ny mikasika izao zavatra izao izy, dia afaka nitondra fanazavana tsara, hoy hatrany ny vaovao. Tamin’ny herinandro lasa teo, voalaza fa narary ilay lehilahy ary nampidirina hopitaly tany amin’ny tanàna niasany. Rehefa alina anefa, nivoaka nandeha nivalan-drano izy tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Izay no nahitana azy farany. Roa andro taty aoriana , ny alin’ny 26 hifoha ny 27 novambra, nisy alika marobe nivovo teo akaikina trano iray. Nivoaka ny olona ka nahatsikaritra zavatra nosaritahan’ireo biby ireo, araka ny fanazavana heno. Rehefa nojerena, hay ny fatin’ilay lehilahy io nampivovoireo alika ireo. Taorian’ny fanazavana nentin’ny solontenan’ilay orinasa moa, notanterahina ny fandevenana. Etsy andaniny kosa anefa, nosokafana ny fanadihadiana mikasika marina ny antony nahafaty an’ilay olona.
Nangonin’I r.s.