Niainga tamin’ny fisamboran’ny pôlisy olon-tsotra teny Alasora ny raharaha, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny olana dia tsy nentin’ireo pôlisy telo teny amin’ny biraony akory ireo olona nosamborina, fa kosa notazomina tany an-toeran-kafa. Mazava hoazy fa teo imason’ny fianakavian’ilay voakasika dia fakàna an-keriny no nitranga. Nanao fanamiana olon-tsotra rahateo ireo pôlisy nandritra ny fanatontosana ilay fisamborana. Nampilaza ny kaomisaria teny Atsimondrano izy ireo. Nanao ny asany avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana izay nanao ny fikarohana. Hita ny toerana nitazonana ilay olona ary tratra ihany koa pôlisy. Nentina teny amin’ny birao vao fantatra fa pôlisy izy ireo, nandritra ny fanamarinana raha ny marimarina kokoa. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina momba azy ireo, dia ny fanidiana azy tao anaty “violon” nandritra ny telo andro. Vita omaly izany, dia nisy ny fakàna am-bavany teo anivon’ny “inspection générale” an’ny pôlisim-pirenena. Io dia misahana ny sazy anatiny ihany no mety ho azon’ireo pôlisy nania, fa noho ny fitorian’ny fianakaviana kosa, dia tokony ho tonga eny anivon’ny fampanoavana ny fanadihadiana ireo pôlisy izay inspektera ny galona ambony indrindra amin’izy telo lahy. Ho an’ny olom-pirenena mpanara-baovao dia be loatra ny fandikan-dalàna sy fanamparam-pahefana eo anivon’ity vondrona ity. Saika isan’andro no mivoaka amin’ny gazety sy ny haino aman-jery ny tsy mety ataon’ny pôlisy na dia ezahina kononkononina eo anivony aza izany. Misy lesoka ve eny amin’ny fiofanana sa efa diboky ny kolikoly loatra kosa ny fisafidiana ireo kandidà hiofana ho pôlisy? Sa izy roa mihitsy no indray tsy mandeha amin’ny laoniny?
D.R