- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tovolahy 20 taona maty an-drano teny amin’ny « Village touristique...

Mahajanga : Tovolahy 20 taona maty an-drano teny amin’ny « Village touristique »

Tovolahy iray vao 20 taona monja no dobo an-drano teny amin’ny “village touristique”, ny faran’ny herinandro teo iny. Telo lahy izy ireo no nilomano teny an-toerana raha nilaza fa nafana. Tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no tonga teny izy ireo, nisintona ny rano tamin’io fotoana io. Tsy maintsy midina lavidavitra anefa vao mahazo rano lalindalina azo ilomanosana. Teo indrindra no niseho ny loza araka ny fitantaran’ireo namany. Nilaza izy fa hoe sintony aho, ka notaritin’ireo namany, nefa tsy avotr’izy ireo akory fa votsotra. Tahaka ny misy misintona miverina any anaty rano ihany koa izy, araka ny nambaran’ireo namany hatrany.

Teo ihany dia nandeha niantso ny fianakaviany ireo namany roa lahy. Ireo teny amin’ny manodidina kosa niezaka niantso ireo mpamonjy voinan’ny kaominina, mba hikaroko sy hitady ilay tovolahy dobo . Ireto farany anefa tsy niraika akory, fa vao mainka aza namaly hoe “tsy asanay izany”. Valinteny izay niteraka fahatezerana ho an’ny maro, satria ireo nantenaina hamonjy indray no manao tsinontsinona ny vonjy aina. I zandrikely Abdalah, izay mpanao asa soa eto an-tanàna, indray no nantsoin’ny fokonolona avy teo. Izy no tonga niaraka tamin’ireo namany nanampy ny fianakavina teny an-toerana, niantso ihany koa ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny zandarimaria misahana ny fanaraha-maso ny sisintany. Izy ireo, avy teo, no naka vedety nitarika ny fikarohana ilay tovolahy tany anaty ranomasina. Naharitra ora maro ny fikarohana tamin’io fotoana io. Na dia niara-nisalahy tao aza ireo zandary sy ny tao amin’ny APMF, niaraka tamin’ireo fokonolona nanatrika. Raha ny vaovao azo dia tamin’ny 2 ora maraina tany ho any vao hita ny razana.

Ankoatra an’io, renim-pianakavina iray ihany koa no hitan’ny olona nitsingevana teny ambony ranomasina, teny amin’ny tafian’ny baka, ny Talata antoandro teo. Mamomamo izy io no nilaza fa nafana ka niroboka ny rano hoe hisaika, raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana.  Minitra vitsy taorin’io anefa, nihohoka sy dobo izy vao hitan’ny olona.

Mila fitandremana sy fiarovana tokoa ny fandehanana amin’io ranomasina io mba hisorohana ny loza tahaka ireo. Indrindra fa ny eny amin’ny “Village Touristique”. Tsy vao izao mantsy no nisintona olona ny tao fa matetika mihitsy. Ny ao an-toerana rahateo efa lasa fanaovan’ny olona  fomban-drazana sy joro ankehitriny.

Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici