- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mamo nitondra môtô, nandratra sy nahafaty olona iray.

Antsirabe : Mamo nitondra môtô, nandratra sy nahafaty olona iray.

Saika namoizana ain’olona hatrany ireo lozam-pifamoivoizana niseho teto Antsirabe tato ho ato izay, raim-pianakaviana iray indray mantsy no maty voafaokan’ny môtô ny alin’ny talata teo.

Tovalahy kely vao herotrerony manodidina ny 20 taona eo ho eo no nisetrasetra tamina môtô iray ny harivan’ny talata teo ka nahafaoka rangahy roa nirava avy niasa. Maty tsy tra-drano ilay rangahy iray raha toa ka naratra mafy kosa ny iray hafa, voalaza araky ny loharanom-baovao fa mbola ahiana ny ain’ity farany. Tao ambadiky ny biraon’ny polisy Tsarasaotra no nisehoan’ity loza ity, tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany teo. Nambaran’ireo nanatri-maso fa tsy tafajanona ilay moto raha tsy efa lasa metatra maromaro. Niezaka namonjy ilay rangahy voadona ihany  ny olona nanatri-maso, saingy tsy tana intsony ny ainy fa teo ihany dia tapitra, nentina any amin’ny hopitaly kosa ny iray hafa. Tsy nahitana ratra na zavatra hafa kosa ilay tovolahy nandoana.

Notanana ao amin’ny polisy hanaovana fanadihadiana kosa ilay tovolahy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici