Zaza tsy ampy taona maromaro, raha araka ny fitantaran’ireo niharan’ny sinto-mahery, no tompon’antoka tamin’ity asaratsy ity. Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, no nanararaotan’ireto andian-jaza efa mahay raha, nanendaka. Ny sasany mody nandeha teo amin’ilay renim-pianakaviana izay namily ny fiara ary nangataka vola. Raha mbola variana nijery an’io izy telo mianaka, izay samy vehivavy avokoa, hay efa nanararaotra niditra tao anaty fiara avy ao aoriana ireo namany. Norahonana ireo olona tao anatiny mba tsy hikiaka akory raha tsy izany tsatohana amin’ny zava-maranitra. Rehefa izany dia nalaina avokoa ny entana rehetra azo nobataina tao anatin’ilay fiara. Lasa ny paoketra, ny entana vao novidiana, isan’izany ny kiraro mbola tao anaty boaty nividianana azy ny kojakoja hafa. Poa toa izay dia vita ny “opération” hany ka ny olona teo amin’ny manodidina izay tratra ihany koa tao anaty fitohanana aza, dia zara raha nahatsikaritra ilay fandrobana. Poa toa izay torak’izany ihany koa ny fialàn’ireo mpanendaka teo an-toerana. Efa hainy tsianjery ny elakelan-trano erak’Analakely hany ka mora foana dia tsy hita izay nanjavonan’ireo. Efa maro ihany izay mpanendaka voasambotra izay raha teo amin’io boriborintany io, saingy mbola mitombo isan’andro ihany koa ny isan’ireo manatontosa an’izany asaratsy izany. Ny olana aza dia tafiditra ao anatin’ilay asa hatramin’ny zaza tsy ampy taona. Isan-kerinandro dia misy hatrany ny hatolotra ny fampanoavana ary midoboka am-ponja. Ny mahagaga anefa dia hita eo Analakely indary ireo volana vitsy aty aoriana. Misy mihitsy aza ny mahazo fahafahana vonjimaka tsotra izao fotsiny na dia tratra ambodiomby miaraka amin’ny fitaovana fandrobany. Ankoatra izay dia miverina ihany koa izany ny fanendahana anaty fitohanana raha efa mba nilamindamina kely izany tao anatin’ny telo volana. Asa, mety tsikaritr’ireo olon-dratsy fa mafana ny andro ary mamoha fitaratra hatrany ireo olona mandeha fiara, indrindra rehefa tsy misy ireny “climatiseur” ireny intsony ny fiara. Dia izay no hararaotin’ireo amin’ity karazana fanendahana ity…
D.R