Basy iray AKM miaraka amin’ ny bala roapolo no hitan’ ny mpihazakazaka maraina ny 04 febroary , izay napetraky ny olon-tsy fantatra teo amoron-dàlana . Araka ny feo mandeha any an-toerana dia na jiolahy saika hanao fanafihana no niova tampoka ny iraka ka nikoropaka noho izany dia latsaka io na koa hoe nentin’ ny fahamehana dia tsy voaray intsony ny fitaovam-piadiana fa maika ny hitsoaka fa sao sarona ;ny hoe niniana nariana aloa dia ohatra ny tsy dia marina loatra . Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nisy fahaverezana basy tany amin’iny faritra iny tamin’ny herinandro. Amin’izao fotoana izao, olona efatra no voalaza fa voarohirohy amin’ity fahaverezana basy ity.
ALEM