Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ratsy. Tovovavy iray 20 taona, mpiasa an-tranon’olona etsy Nanisana, izay natokisana nentina toy ny zanaka an-trano, nangalatra volabe 12 tapitrisa ariary ny alarobia teo. Gaga ny tompon-trano rehefa nody tao an-trano avy niasa ny hariva tsy nahita an’ity mpanampy, nefa ny mpianatra notsenainy tao an-trano. Vao mainka ankona izy mivady nahita ny “armoire” kely fitoeram-bola eo an-doham-pandriana nipitsoka ny varavarany. Nosavaina ny tao, nanjavona ny volabe saika hividianana tany. Raikitra ny fikarohana an’ilay tovovavy.
Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’olon-tsotra tsara sitrapo, dia voasambotra omaly naraimbe niafina teny amin’ny havany tetsy Tanjombato izy, izay mbola dizin’ny toaka niara-natory tamin’ny sipany. Nilaza ho voafitaka kosa ireto fianakaviany nandray azy, satria tsy nahalala hoe vola halatra no nirevena sy nanaovana fiainana. Rehefa nosavaina ny vola tany amin’ity tovovavy ity, izay natao tao anaty “sac à dos HP” dia banga 3 tapitrisa ariary be izao. Rehefa nofotorana izy dia nilaza fa nividianany fitafiana lafo vidy, finday avolenta, sy haingo ho azy sy ny sipany, ireo vola. Raha ny vaovao voaray, dia efa saika hitsoaka hoany Toliara, ny zoma io ity tovovavy ity no tra-tehaka izao.
Eric Manitrisa