Gai Nyok, isan’ireo mpitsoa-ponenana avy any Soudan, saingy nahazo fialokalofana tany Etazonia, ary miomankomana ny hisolotena an’ity firenena nampiantrano azy ity any amin’ireo firenena hafa, ho diplômaty. « Zazavery » nitsoaka ady an-trano tany amin’ny fireneny i Gai Nyok, ny taona 1980. Namakivavy an-tongotra an’i Etiopia sy Oganda izy tamin’izany, ary noraisin’ny tobin’ny Firenena mikambana tao Kenya. Ny taona 2001 izy no tonga voalohany tany Etazonia, rehefa nahazo zo hialokaloka ao izy sy ny zazalahy namany 4000. Fianakaviana iray mpandray vahiny tao Virginie no nipetrahany, ary nanomboka teo no nilofo tamin’ny fiainana i Gai. Narani-tsaina aok’izany izy tany am-pianarana, ka vetivety monja no nandiganany ireo an-tanantohatry ny fampianara tany ary nahazoany ny diplaoma momba ny toekarena sy fifandraisana ara-toerana tao amin’ny Onversité-n’i Virginia. Mianatra teny Espaniola ny lehilahy amin’izao, hanomana ny iraka ataony voalohany ao amin’ny departemantam-panjakana ho amin’ny Masoivohon’i Etazonia any Caracas, Venezuela. « Manantena aho fa ho diplômaty tsara, hahavita ny asa araka izay tratrako hanompoako ny fireneko » hoy izy. Filofosana sy fiezahana tsy misy ohatr’izany …
m.L