Mpangala-jaza roalahy no matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ambalavao, ny talata lasa teo. Raha ny vaovao voaray dia niditra an-tsokotsoko tamina sekoly ambaratonga fototra iray tao Ambalamahasoa Atsimo izy roalahy, ny marainan’io talata io tamin’ny 6 ora sy sasany, ary mody nilaza tamin’ireo mpianatra efa tonga taloha tao miandry ny fotoam-pidirana amin’ny fito ora, fa izy ireo no solon’ny mpampianatra. Samy nihorakoraka mafy ireo kilonga nahita ny fihetsika hafahafan’izy roalahy. Vao nikotaba ny ankizy dia nanao tongotra an-katoka nitsoaka ireto noahiahiana ho mpangala-jaza.
Efa herinandro nihaodihaody teo an-tanàna. Raikitra ny antso vonjy sy ny kotaba, taitra ny olona teo amin’ny manodidina. Nifanenjehana avy hatrany izy roalahy ary tsy lasa lavitra dia voasambotra, tao anatin’ny segaondra vitsy monja dia nitangorona ny fokonolona, ary samy nidaroka sy namono ary nisy mihitsy no nitoraka biriky. Araka ny vaovao voaray hatrany dia gadralava tamin’ny aferana vono olona ny iray tamin’ireto matin’ny fitsaram-bahoaka, ary efa herinandro izy roalahy ireto no voalaza fa efa hitan’ny fokonolona nihaodihady tao an-tanàna, nefa tsy mponina eny, ary tsy fantatra mihitsy izay tena tanjon’izy ireo, ka nampitombo ny ahiahin’ny mponina.
Eric Manitrisa