Taorian’ny namotsoran’ireo mpaka an-keriny azy an’i Moustapha Azir na efa nokasaina novonoina fa tsy maty, dia manomboka misy fivoarany ny raharaha mahakasika ny fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie. Raha ny angom-baovao natao, dia misy ifandraisany akaiky ny raharaha famotsorana an’i Moustapha Azir io sy mahakasika ny raharaha azy mianadahy zanaka mpibizina andramena ity.
Io loharanom-baovao io ihany no nahalalana izao fa migrevy tsy mety mihinan-kanina izy mianadahy ireto ankehitriny, hany ka mampisaritaka ireo naka an-keriny azy ny ho fiantraikan’izany ara-pahasalamany, nefa ny fikarohana sy fisavana trano ary fisamborana samy hafa mandeha saika isan’andro ao Toamasina. Ny alakamisy alina teo, teny amoron-dranomasina manoloana ny “shoprite”, tokony tamin’ny 9ora alina dia tovolahy maromaro no niraofin’ny mpitandro ny filaminana nirongo basy sy nisaron-tava, izay voalaza fa “tena” misy ifandraisany amin’ity raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie ity. Izao ihany koa araka ny loharanom-baovao dia manomboka atao savahao ny manodidina an’iTanamakoa, manomboka amin’ny Parceelle 12/12 hatrany amin’ny Parceelle 12/14; satria miainga avy ao hatrany ny fifandraisan’ireo jiolahy sy ny fianakavian’izy mianadahy amin’ny fitakiana ny vola, sy ireo tranga na fakana an-keriny teo aloha rehetra. Raha io angom-baovao io ihany mantsy, dia efa nokasaina nomena tamin’ity herinandro ity ny ampahan’ny vola takian’ireo jiolahy ho takalonaina an’i Arnaud sy Annie, saingy tsy tontosa izany fa mailo tanteraka ireo jiolahy hoy hatrany ny vaovao azo.
Malala Didier