Hatairana ny an’ireo mpivarotra teo amin’ny tsenan’Ambatondrazaka ny harivan’ny alahady faha 09 febroary 2014 teo noho ny fisian’ireo andian’olona efadahy nanakorontana sy nandrahona mpivarotra ,nalain’izy ireo ny antsy teny amin’ireo mpivaronkena ka nenjehiny ireo manelingelina , nisahotaka arak’izany ny vahoaka ,tao ireo nanakatom-baravarana ireo mpivarotra lehibe ,nandositra ny sasany ,vetivety anefa dia tonga ny pôlisy niezaka nandamina ka noho ny hamaroan’ny olona dia nisahotaka aok’izany .Nanandrana ny hilefa rahateo ireo mpanakorontana ,voatery nirefodrefotra intelo ny basin’ ny polisy vao samy nifitsaka tsy nisy nihetsika ny rehetra .Tafaporitsaka ihany anefa ireo mpanakorontana .Tsy nisy ny naratra fa ny fahasimban’ny entana voahitsakitsaka no betsaka efa fantapatatra avokoa ny atidoha nitarika ny fanakorontanana ka hanao ny fisamborana ny mpitandro ny filaminana.
Janus R