- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpanao didim-pitsarana hosoka sarona niaraka tamin’ny basy

Toamasina : Mpanao didim-pitsarana hosoka sarona niaraka tamin’ny basy

Tao anatin’ilay fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie, izay mbola tsy hita hatramin’izao na efa feno 03 herinandro androany aza ny fajavonany, sy nidiran’ny masohivoho frantsay akaiky amin’ny raharaha noho ireto zaza ireto manana ny zo frantsay, dia nitsangana ao Toamasina ny “cellule” manokana misahana ny tsy filaminana sy mikasika ity raharaha. Tao anatin’ny asan’izy ireo amin’ny fikarohana azy mianadahy, no nahatraran’izy ireo ihany koa ity trangana fisandohana sy fisolokiana avo lenta ity. Nandritra ny fisavana ny tranony, araka ny baikon’ny fitsarana ao Toamasina, dia tratra tao amin’ity lehilahy ity ireo fitomboka maro be sy samy hafa. Ahitana ny fitombok’ireo orinasa goavana ao Toamasina isan’izany ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny Ambatovy ary ny Jirama; teo koa ireo fitomboky ny fitsarana sy sampam-pitsarana ao Toamasina, ary ireo fitomboky ny sampan-draharaham-panjakana maro ka isan’izany ny talem-paritry ny fananan-tany sy fandrefesantany. Voamarina izany izao hoy ny fitsarana manao ny fanadiadiana ny raharaha, fa miainga avy amin’ity lehilahy ity avokoa ireo didim-pitsarana hosoka maro be tonga eo anivon’ny fitsarana tratra tamin’ity taona ity ka mahavoafitaka ireo mpanan-draharaha manantona azy. Mbola miainga ao aminy koa izany ireo taratasy momba ny fananantany azon’ny olona sasany mitady ny asa mora vita, izay mampifanolana ny tompon-tany sy ny ireo milaza ny nahazo ny tany ary ny fitsarana mamoaka ny didy. Ankilan’ireo fitomboka hosoka maro be tratra ireo, dia mbola nahatrarana basy PA sy vola sandoka maro be koa tao aminy. Raha ny momba ny basy aloha dia heverina fa isan’ny hampanofainy amin’ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina izany satria tsy misy taratasy ara-dalàna. Raha ny momba ny vola sandoka 10.000 ariary tratra tao aminy, dia tena tsy misy mahasamy hafa izany amin’ny vola tena izy afa-tsy ny faritra mangirana ihany izay tsy hainy ny naka tahaka azy. Teo koa anefa ny halatra herinaratry ny jirama nataony nandritra ny taona maro nanaovany ny asa ratsiny. Ao anatin’ny fanadihadiana ity lehilahy ity ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ankehitriny, satria amin’izao olana tsy mbola fahitana an’i Arnaud sy Annie voalaza fa migrevy tsy mihinan-kanina izao, dia heverina fa mety hisy fifandraisany amin’io raharaha io koa ny tenany; ankoatra ny fanenjehana azy amin’ny “fanaovana hosoka, fampiasana izany, fanaovana vola sandoka, ary halatra herin’aratra”.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici