Niteraka fahafatesana indray ny rotsak’orana na somary hafakely aza ny fisehony. Rangahy tokony ho dimampolo taona teo no namoy ny ainy rehefa main’ny herinaratra tamin’ny tambohony. Raha araka ny fantatra, raha vao nitsahatra kely ilay ora-mikija be tamin’ny tolakandron’ny asabotsy teo iny, dia mba nivoaka kely ity raim-pianakaviana ity ary nijery ny tao an-tokotaniny. Isan’ny nojereny ny fipetraky ny “fil” mpitondra herinaratra izay nipetraka tamin’ny tambohony. Tao anatin’izay fahamalinana izay indrindra no nitranga ny loza satria voarainy ny fil kanefa mbola nandeha ny herinaratra tamin’io fotoana io. Nipàka taminy izany ka niteraka ny fahafatesany. Tsy nisy nahatsikaritra ny nanjo azy tao amin’ilay toerana ary efa hariva mihitsy ny fianakaviany vao nifanontany ny amin’izay misy ity raim-pianakaviana. Rehefa nivoaka tao an-tokotany vao hita izy izay efa mitsidrahaka amin’ny tany ary tsy mihetsika intsony. Raha araka ny fanampim-baovao azo dia efa teo anelanelan’ny tamin’ny telo ora ka hatramin’ny enina ora no nitranga ny loza. Tamin’ilay fotoana voalohany mantsy no nivoahany ny trano ary tamin’ilay faharoa kosa ny ora nahitàna azy izay tao ivelany, efa tsy tsa-drano intsony. Mpanamory fiaramanidina no asan’ity niharam-boina ity. Maro ny lesona azo tsoahina amin’ny andro fahavaratra toa izao, ankoatra ny mety hiakaran’ny rano izay heverina fa efa mahazatra, dia mbola loza manambana ihany koa ny herinaratra, indrindra fa miboridana. Mila iomanana avokoa izany rehetra izany, indrindra alohan’ny higadonan’ny vanim-potoanan’ny andro fahavaratra.
D.R