Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona indray tany Sakaraha ny asabotsy alina teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Roalahy mpibizina safira nanao taingin-droa tamin’ny moto no latsaka tao an-kady vokatry ny fandehanana mafy. Maty tsy tra-drano ny iray, nitsatoka teo amin’ny tratrany ny “guidon”-n’ny moto nentiny. Miady amin’ny fahafatesana naratra mafy tapa-tanana sy vaky loha ny tovolahy faharoa 28 taona. Raha ny vaovao voaray dia avy nividy vato tany amin’ny kariera ambanivolo izy roalahy ireto hitodi-doha ao Sakaraha, izao tra-doza izao. Tsy nanao aroloha (casque), ny lalana ratsy nefa ny moto nentin’izy ireo zara raha mahatsilo ny jiro. Nahenoana fofon-toaka izy roalahy niharan-doza ireto, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa