Raha ny loharanom-baovao mari-pototra avy any Mahajanga dia hatao lavanty rahampitso talata 8 desambra ny tanimbarin’ny FIFABE mitotaly 7 000ha amina kaominina ambanivohitra enina ao amin’ny distrikan’i Marovoay, Faritra Boeny, ka voakasik’izany ny ao Marovoay Banlieue, Manaratsandry, Ambolomoty, Ankaboka, Anosinalainolona ary Antanimasaka. Nolazain’ny orinasa SOMIA (Société Malgache d’Industrie et d’Agriculture) izay mpandova Vazaha voanjo fahiny (niasa io velarantany io talohan’ny FIFABE), fa naka ny taniny ary nampiasa izany tsy araka ny lalàna efa an-taonany maro ny orinasam-panjakana FIFABE.Tantsaha 6 000 no tandindonin-doza. Nitory teny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Mahajanga ny SOMIA ka nandresy ary mbola nohamafisin’ny Fitsarana ambony izany fandresena izany. Nivoaka ary ny didy fa tsy maintsy mandoa onitra mitentina 320 tapitrisa ariary ny FIFABE. Koa satria moa ity orinasa ity, hoy hatrany ny loharanom-baovao, efa tsy mihodina intsony, noho izany dia tsy afaka handoa io volabe io, ka dia nogiazana avokoa ny fananany ary anisan’izany ireo velarantany 7000 ha. Raha ny fantatra dia fianakaviana 6 000 mahery nozaraina tany, ary efa misy ny manana titra mivelona amin’ny fambolena amin’io velarantany io no tandindonin-doza ny fiainan-koaviny, ka manaitra ny fitondram-panjakana izy ireo amin’ity loza mitatao.
Eric Manitrisa