- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Olona roa maty may nangalatra gasoil

Antsiranana : Olona roa maty may nangalatra gasoil

Ela nanaovana azy ka maty noho ny asa ratsiny ny tovolahy roa dia i Patrick sy i Andry raha saika hangalatra solika an’ny orin’asa SECREN. Tao amin’ny secteur Parc Azoto no nanaovan’izy ireo ny fitsentsefana ilay solika , mandalo ambany tany. Izy ireo dia nisy naniraka, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’olona nahafantatra azy ireo sy ny olona niasany. Teo anatrehan’ny Ben’ny Tananan’Antsiranana no sahy nilaza izany ireto vavolombelona ireto.  Tsy sambany hoy izy ireo fa matetika ary efa io no asa fanaon’izy roa lahy ireo. Tamin’ny fotoana , omaly io dia nampiasa gaz ry zalahy, nandoahana ny “tuyau” mitondra ny solika avy amin’ny “depot TOTAL” mankany amin’ny SECREN. Anaty lavaka be no nisy io làlana andalovan’ilay “tuyau” io. Nitsofoka tao izy ireo ary rehefa nandrehitra ilay “chalumeau”  dia nirehitra ary niverina tamin’izy roa lahy ny afo. May kilan’ny afo tanteraka izy roa tao anaty lavaka. Teo vao nisy olona naheno ny zavatra nipoaka ary nijery io toerana io. Niantso ny manampahefana taorian’izay, sy ny mpamonjy  voina ny razana tao anaty lavaka , ary nentina ao amin’ny hopitaly Manarapenitra. Afaka roa andro no hanaovana ny fandevenana hoy ny Ben’ny Tanana Johary Houssen Alibay raha tsy hita ny havany. Tsy mbola fantatra ny tohin’ny raharaha amin’ireo efa-dahy nijoro vavolombelona. Marihana fa olona avy any Antananarivo izy roa lahy ireo,fa manao asa aty Antsiranana.

V.JCL

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser