- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Mpanera niady, maty voadaka teo amin’ny filahiany ny iray

Ambodivona : Mpanera niady, maty voadaka teo amin’ny filahiany ny iray

Niainga tamin’ny fiaraha-misotrosotro aloha ny raharaha. Sady mpinamana no mitovy asa rahateo izy roalahy .Niarakaraka ny harivan’ny alahady lasa teo. Niakatrakatra ny alikaola ary lasa nisangisangy kely. Tsy voafehy intsony anefa ny fikasihan-tànana hany ka lasa nivadika tena fifanandrinana izany. Nifamango teo ny roa tonta ary voan’ny daka mafy teo amin’ny maha-lehilahy azy ny iray tao anatin’izany. Torana avy hatrany. Noheverina fa mbola vazivazy teo fa rehefa tena tsy nihetsika izy vao tonga saina ny olona. Nantsoina ny havany izay nitondra azy teny amin’ny sampana fameloman’aina. Tsy naharitra ela izany dia namoy ny ainy ilay lehilahy. Nitory ny fianakaviana momba ity vono olona ity. Ny olana anefa dia tsy hita izay nanjavonan’ilay mpanera  nahavanon-doza. Mandeha ny fikarohan’ny olona sy ny mpitandro ny filaminana azy hatramin’ny alahady teo. Mitovitovy tamin’ity tranga ity ihany koa saingy mba tsy maty ilay olona, no niseho tetsy Mahamasina ny alin’ny zoma teo. Nifamaly ny mpivarotra roa, irony mandehandeha manatitra masikita sy toaka eo anoloan’ny lapan’ny fanatanjahantena irony. Tampotampoka teo dia nifampikasi-tànana ihany koa. Nidaraboka tamin’ny tany ny iray ary torana tsy nahatsiaro tena. Nojeren’ireo namany mpivarotra fotsiny, ankoatra ny nanondrahana azy rano, toa ireny akoho avy niady ireny. Efa ho antsasak’adiny taty aoriana vao niverina ny ainy. Tao anatin’izay anefa dia nitangoronana fotsiny teo ireo olona marobe izay tsy iza fa mpiara-miasa eo ihany. Tsy nisy nahatsapa mihitsy fa raha sanatria ka namoy ny ainy teo ilay olona dia azo nosamborina avokoa izay rehetra nahita noho ny tsy famonjena olona miady aman’aina…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser