- Publicité -
dimanche, septembre 28, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Nalain’ny minisitry ny fiarovana teo aloha, ny basin’ny zandary

Mahajanga : Nalain’ny minisitry ny fiarovana teo aloha, ny basin’ny zandary

Basy kalachnikov iray izay nentin’ny lehiben’ireo nitarika ity andiana zandary enina no nalain’ny miaramila izay notarihin’ny minisitry ny fiarovana teo aloha tamin’ny andron’ny tetezamita. Raha araka ny fanazavana azo, dia ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny valo ora maraina, raha nandroaka omby 45 izay mampiahiahy izy ireo, dia nipoitra avy any ireo miaramila folo izay teo ambany fifehezan’ny minisitra teo aloha. Nanome baiko avy hatrany io manamboninahitra Jeneraly io, ny amin’ny hangalàna ny basy kalachnikov izay teny ambozonan’ny zandary nifehy ny namany enina. Torak’izany ihany koa, nentin’ireo miaramila nanaraka azy ireo ny zandary. Tany amin’ny kaominina antsoina hoe Tsimandaingo, adiny fito taty aoriana vao nijanona izy ireo. Efa tamin’ny fito ora tany vao afaka nanao tatitra tamin’ny lehibeny ny amin’izay nanjo azy ireo, ireto zandary miasa eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava ao Mahajanga. Taitra ny kaomandin’ny zandary tao amin’ny faritra ka nandefa ny olony maromaro mba hijery ny zava-misy sy haka ny basy. Niova tampoka anefa ny hevitra, asa mety ho noho ny fahatahorana sao hisy rà mandriaka, ary nasaina niverina nody tao Mahajanga ireo iraka manokana. Nampandrenesina ny manampahefana isan’ambaratongany ny amin’ity zava-nitranga ity. Iza no nanome baiko inona ary avy aiza? Iaraha-mahalala fa tsy nifanena fotsiny tany ambanivohitra tany ireo miaramila sy zandary ireo raha tsy nisy baiko mazava. Ankoatr’izay, ny minisitra teo aloha izay voakasika eto ve nisy baiko avy taiza koa ny nidinany tany ambanivolo tany niaraka tamin’ny miaramilany? Raha tsy izay mantsy dia fanararaotam-pahefana no mitranga ary mety azo eritreretina amin’izay ny fisian’ny olona ambony ao ambadiky ny halatr’omby. Handrasana ny fanazavana eo anivon’ireo vondron’ny mpitandro ny filaminana roa voakasika mba tsy ho kitranoantrano hatrany no handravonana ny olana. Indrindra koa, efa raharaham-pirenena ankehitriny ny asan-dahalo sy ny halatr’omby…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici