- Publicité -
dimanche, septembre 28, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Mpivarotra « bar » notafihana andian-jiolahy mitam-basy

Ampasampito : Mpivarotra « bar » notafihana andian-jiolahy mitam-basy

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray teny amin’iny faritra Ampasampito iny, ny sabotsy vao mangiran-dratsy teo. Tamin’ity indray mitoraka ity, toeram-pivarotana zava-pisotro no lasibatr’ireo olon-dratsy. Vokany, lasa avokoa ny vola rehetra tao amin’ity toerana ity, niampy izay entana sarobidy rehetra zakan’ireo olon-dratsy. Tsy nisy fipoahana basy, tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy, saingy, raha ny fantatra teny an-toerana kosa dia ilay rangahy tompon’ity « bar » ity no toran’ny tahotra. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina teo no nisehoan’ity trangam-panafihana ity. Tsy fantatra mazava izay tena isan’ireo olon-dratsy, fa ny roa tamin’izy ireo ihany no tena tafiditra tao an-trano sy nanambana basy ny tompon-trano. Mpivady ny tompon’ity toeram-pivarotana ity, ary tsy nisy afa-tsy izy ireo no tao tamin’io fotoana io. Efa teny am-pandriana izy roa no tonga tampoka ireto mpangalatra ireto. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana saingy efa dila lavitra ireo olon-dratsy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana kosa ilay rangahy torana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici