- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversBetongolo : Kolonely nilàna vaniny : olona dimy nosamborina

Betongolo : Kolonely nilàna vaniny : olona dimy nosamborina

Ny alin’ny alahady teo no nisian’ity tranga ity. Raha araka ny fantatra dia nandeha nilamina tamin’ny fiarany ny kolonely iray eo anivon’ny zandary, niaraka tamin’ny zanany vavy folo taona, no nisy fiara marika Audi nanaraka avy ao aoriana. Lehilahy roa sy vehivavy telo no tao anatiny. Nisy ny fisongonana taorian’izay ary nijanona teo anoloan’ny fiaran’ilay manamboninahitra ilay Audi. Nandeha ny fiteny tsy maotina teo ary rehefa namoaka ny karatra maha-zandary azy ilay manamboninahitra dia natsipin’ireo roa lahy tamin’ny tany izany. Niakatra avy hatrany ny maripana teo ka tonga tamin’ny fiantsoana vonjy zandary izay tonga teo an-toerana avy hatrany ary nanao ny fisamborana ireo olona rehetra tao anatin’ilay fiara Audi. Tsy nanaiky mora foana ilay manam- boninahitry ny zandary, satria aminy dia fikasàna haka an-keriny azy mianaka no saika hataon’iretsy olona dimy. Dia nentina tamin’izay ny fitoriana, izay napetraka tao amin’ny borigady Betongolo aloha ary nafindra teny amin’ny borigady manokana eny amin’ny Toby nanomboka omaly. Tsy niova ny anton’ny fitoriana, porofo iray izany fa tsy nihemotra ilay kolonely manoloana ny zava-nitranga. Ankilany, nisy ny feo nandeha fa lehilahy mamomamo ary nisetrasetra teny an-dàlana ireo nifanehatra taminy. Ireo vehivavy kosa dia nilaza fa avy nanao karaoké teny amin’ny cite des 67ha ka nanakana fiara mba hodiana, ary sendra an’ireo lehilahy tao anaty Audi. Niara-notazomina avokoa izy rehetra hatramin’ny omaly. Raha ny fijerin’olon-tsotra dia nisy fahadisoana hatrany ireto olona maromaro, indrindra tamin’ny fahasahiany nanakana fiaran’olona, ary manginy fotsiny ny faniratsiràna ilay manamboninahitra izay mba efa namoaka ny karatra maha-zandary azy. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia hita ho lasa lavitra ihany ny fitoriana hoe fikasàna haka an-keriny, toe-javatra iray izay mampidoboka am-ponja avy hatrany rehefa eny Anosy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici