Rangahy iray, 65 taona, farmasianina amin’ny toeram-pivarotam-panafody iray eo Antanimena no niharan’ny fanafihan-jiolahy teny amin’ny trano fonenany teny Ambodimita. Niharan’ny darok’ireo olon-dratsy ity rangahy lehibe ity, ary namoy ny ainy vokatr’izay, rehefa tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana, raha ny nambaran’ireo mpitandro filaminana. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola maromaro, malagasy sy vahiny, tao an-trano niaraka tamin’ireo entana sarobidy. Omaly vao maraim-be no nisehoan’ity trangam-panafihana ity. Nambaran’ireo mpitandro filaminana fa telo lahy ireo olon-dratsy no tonga tao amin’ny tokantranon’ity farmasianina ity. Mbola revo tanteraka tao anatin’ny torimaso ny tompon-trano tamin’io fotoana io, niaraka tamin’ny tovolahy iray. Tsy nampoizin’izy ireo fa efa notsofain’ireto olon-dratsy ny karakara vy fiarovana teo amin’ilay trano. Izy ireo efa tafiditra vao nahataitra ny tompon-trano. Daroka avy hatrany anefa no niantefa teny amin’ny lohany ary tsy navelan’ireo olon-dratsy raha tsy tsy nahatsiaro tena. Efa vita fatotra kosa ilay tovolahy. Tonga teny an-toerana ny pôlisy saingy efa tsy nisy tratra intsony ireo olon-dratsy. Noezahina namonjy toeram-pitsaboana ilay rangahy naratra, saingy indrindra fa izao tsy tana izao intsony ny ainy. Mandeha ny famotorana sy fikarohana ireto mpanafika nahavanon-doza ireto.
m.L