Saika raikitra ny sakoroka tetsy Anosivavaka Ambohimanarina, omaly maraina. Ady tany no nampifanolana ireto mponina teny an-toerana sy ny orinasa vahiny iray, izay efa malaza loatra amin’ity fibodoana tanin’olona ity. Omaly dia tonga teny ny solontenan’ity orinasa ity, mba hamefy ny tany sy hanala ireo hany sisa olona mitokona tsy mety miala amin’ity toerana ity. EmmoReg, amina fiara tsy mataho-dalàna miisa efatra no tonga teny an-toerana, niampy irony vatan-dehilahy maromaro avy amin’irony orinasa fiambenana tsy miankina irony, miaraka amin’ny alika telo. « Vao maraim-be izy ireo dia efa tonga teo », hoy ny filazan’ireo mponina. « Tsy misy fitenenana fa avy hatrany dia nisambotra ireo lehilahy rehetra tao aminay. Nanisy rojovy ary nampiakatra izany tao anatin’ireo fiaran’izy ireo avy eo». Tetsy andanin’izay, raha nanontaniana ny zava-nitranga teny an-toerana ny lehiben’ireto Emmo tonga teny an-toerana ireto, nilaza ny Komandà Andriamizana, fa « tonga nananteraka ny didy fampisamborana avy amin’ny fitsaràna izy ireo ». Ary « ireo olona nosamborina dia nentina natao fanadihadiana ary rehefa tsy misy zavatra tokony hanenjahana azy dia avotsotra izy »
« Tsy rariny izao » hoy ny antsoantsoan’ireo mponina. « Efa ho 50 taona izahay no nonina teto ary nanajary ity toerana ity. Ambonin’izay, manana taratasy ara-dalàna izahay manamporofo fa anay ilay tany. Tonga avy any anefa io orinasa vahiny, avy hatrany dia nibodo azy ity ». Araka ny filazan’izy ireo dia « ny herinandro teo ity orinasa ity no nitondra pôlisy sy nandrava ny tranonay ». Na dia teo aza anefa izay fandravana trano izay dia mbola nisisika nijanona teo amin’ilay toerana izy ireo, natory teo akaikin’ny tranon’izy ireo rava sy teny amoron-tanimbary. Ary dia « tonga indray ny Emmoreg, nisambotra ». An’iza ny marina araka izany ? Angamba, raha ny hita hatramin’izay aloha, dia an’izay manam-bola azo atsindry ny eny amin’ny fitsaràna ihany. Na izany na tsy izany, miantso vonjy sy miandrandra fandraisana andraikitra any amin’ireo hany tompon’andraiki-panjakana sisa tsy be marenina izy ireo.
m.L