- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Fisolokiana, vazaha manambaka vazaha, olona roa voasambotra

Ivato : Fisolokiana, vazaha manambaka vazaha, olona roa voasambotra

Olona roa, teratany vahiny mpivady, no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny “Surveillance du Territoire” (ST) tamin’ny sabotsy faha-5 desambra lasa teo, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nisy teratany vahiny hafa nitory azy ireo tamin’ny resaka fisolokiana teny amin’ny ST Anosy. Vontoatin’ny fitorianany filazan’ ireo voambaka fa nilaza ho afaka mandefa azy ireo any Eropa izy mivady. Avy any Bangladesh sy Brunei ireto olona ireto. Tsy izany anefa ny zavatra niseho fa tena fisolokiana tsotra fotsiny izao. Rehefa nifanatona ny roa tonta dia nilaza ireo mpivady fa afaka mikarakara azy tsara amin’ny fandehanany any an-dafy sy ny fanorenam-ponenana any. Ireo mpisoloky ihany no mikarakara ny taratasy rehetra ilainy amin’izany. Ao anatiny koa ny fitaterana sy ny fampiantranoana azy eto Madagasikara alohan’ny handraisana fiaramanidina ho any ivelany. Roboka tokoa ireo olona ireo. Vola hatrany amin’ny 6 000 dollars isan’olona no saran’ny fikarakarana amin’izany. Sivy anefa ny isan’ireo handeha hifindra monina. Tonga taty Madagasika ireo olona ireo. narirarira teny ary navela ho lany “visa”, hoy ny vaovao voaray. Voatery tsy maintsy nalefa nody any amin’ny tany niaviany. Nisy ihany koa anefa izay nanaovan’ireto mpivady “visa”. Rehefa nohadihadiana ireto mpisoloky ireto dia fantatra fa misy lehilahy iray any Brunei miara-miasa aminy. Tamin’ny famotorana hatrany no nahalalana fa volabe tokoa no efa azon’ireto mpivady ireto. Alefany any amina banky any ivelany aloha ny vola, izay indray vao averina aty Madagasikara. Ny loharanm-baovao hatrany no nahafantarana fa tsy dia mipetraka ela eto ireo mpisoloky fa mivezivezy any Komoro sy Seychelles.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto vazaha mpisoloky ireto.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici