- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : 17 lahy mpanendaka sy mpangarom-paosy voasambotra

Analakely : 17 lahy mpanendaka sy mpangarom-paosy voasambotra

Hetsika manokana no notanterahin’ny polisy avy ao amin’ny boriboritany voalohany etsy Analakely manoloana ny firongatry ny fanendahana sy ny fangaronam-paosy eny amin’iny faritra iny sy ny manodidina. Nahazo vokatra ry zareo ka fantatra fa lehilahy 17 no nosamborina tamin’ny harivan’ny alatsinainy teo, ka ny fito tsy ampy taona. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa lasibtra ireo olona tratra hariva avy miasa ka mandeha irery.

Marobe ny fitarainana tonga teo anivaon’ny polisy mikasika ny afitsoky ny jiolahy. Ny alatsinainy teo, nanomboka tamin’ny 7 ora hariva no natao ny hetsika. Nahatsikaritra olona roa nampiahiahy ny mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily tsy lavitra ny Hôtel Glacier. Toa efa fantatr’ireo jiolahy anefa izy ireo ka avy hatrany dia namoaka sabatra ry zalahy sady nanao tari-dositra. Raikitra ny fanenjehana ka voatery nanapoaka basy mihitsy ireo polisy tamin’izany nampijanonana ireo olon-dratsy. Teny Ambodifilao no tratra ny iray fa afaka nandositra kosa ilay faharoa. Rehefa tratra io dia tsy nionona tamin’izany ireo mpitandro filaminana fa nanohy hatrany ny hetsika. Hatramin’ny 9 ora alina, 16 hafa no tratra. Rehefa nandeha ny famotorana dia fantatra fa maro amin’ireto voasambotra ireto no mpamerin-keloka. Ny dimy tamin’izy ireo dia efa in-droa nigadra fara faharatsiny momba ny resaka fanendahana. Ny dimy tsy ampy taona koa dia efa niditra teny Anjanamasina. 11 taona ka hatramin’ny 46 taona ireo mpandendaka tratra ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ry zalahy ireo.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici