- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFifaninana ho kaomisera : Arahin'ny pôlisy maso ny zanaky ny minisitra iray

Fifaninana ho kaomisera : Arahin’ny pôlisy maso ny zanaky ny minisitra iray

Lasa resa-be ankehitriny, tsy eo anivon’ny pôlisim-pirenena ihany fa ho an’ny mpanara-baovao koa, ny fisian’ny ofisie iray izay voaray ho kandidà amin’ny fifaninanana ho kaomisera kanefa tsy nahafeno ny fepetra mahakasika izany. Efa afaka tamin’ny fihodinana voalohany izy dia ny fanadinana an-tsoratra izany ary hiatrika ny fanadinana am-bava, dingana farany, anio etsy Anosy. Tsy nahafeno dimy taona (fepetra takiana) niasana amin’ny maha-ofisie azy akory ny tenany dia efa nilatsaka kandidà ho kaomisera. Manaraka izany tsy manana ny mari-pahaizana « maîtrise » ihany koa izy kanefa izany no takiana voalohany amin’ny famenoana ny antontan-taratasy. Niteraka resaka an-jorony izany, satria zanaky ny minisitra iray am-perin’asa ity voakasika ity. Nisy mihitsy aza ny trakta izay niely tamin’ny voalohan’ity herinandro ity, fa raha toa ka tafiditra ho kaomisera io kandidà io, dia hisy ny ampamoaka lehibe hiseho momba ilay minisitra. Amin’ny mpanara-baovao dia miendrika fanamparam-pahefana ity tranga ity ary ny nahagaga azy ireo anefa dia ny tsy fihetsehan’ny birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly; izay manara-maso hatrany ny fanadinam-panjakana toa itony. Raha ny fantatra dia efa maniry ny mpanadina mba tsy hitontona eo aminy ity kandidà ity, anio. Ny antony dia mazava loatra, mba hialana amin’ny firaisana petsapetsa amin’ny zavatra tsy manara-dalàna. Harahina ny tohin’ny raharaha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici